05/07/2026
INONA AVY NY ZO SY NY ADIDY EO AMIN'NY TOMPON-TRANO SY NY MPANOFA-TRANO ? ( TOHINY ) 🏡👇🏻
Ho hezahinay valiana ato amin'ity publication ity indray ireo fanontaniana manitikitika anareo tao amin'ny commentaire 😊👇🏻
__________
1️⃣ Inona ilay antsoina hoe Contrat de Bail ?
👉🏻 Ny Contrat de bail dia fifanarahana an-tsoratra hifanaovan'ny tompon-trano sy ny mpanofa, izay mamaritra mazava ny fepetra rehetra momba ny fanofana trano.
👉🏻 Io no taratasy manaporofo ny fifanarahana ary ampiasaina raha misy tsy fifankahazoana any aoriana.
2️⃣ Inona no tokony anaty Contrat de Bail ?
👉🏻 Farafahakeliny dia tokony ahitana:
✅ Anaran'ny tompon-trano sy mpanofa
✅ Adiresin'ilay trano
✅ Sandan'ny hofan-trano
✅ Daty fandoavana
✅ Montant de la caution (raha misy)
✅ Faharetan'ny bail
✅ Zo sy adidy
✅ Fomba famaranana ny fifanarahana
✅ Sonia sy daty.
3️⃣ Tsy maintsy enregistré ve ny Contrat de Bail ?
👉🏻 Ny enregistrement dia manamafy ny lanjan'ny taratasy eo amin'ny lafiny ara-pitantanana sy ara-ketra.
👉🏻 Na izany aza, ny fifanarahana nosoniavin'ny roa tonta dia efa afaka mamorona adidy eo amin'izy ireo, na dia mety hisy tombony ara-pitsarana sy ara-pitantanana aza ny fanaovana enregistrement.
4️⃣ Ahoana ny fepetra fampiakarana hofan-trano raha misy contrat de bail ?
👉🏻 Raha misy contrat de bail, dia tokony hajaina aloha izay voasoratra ao anatiny raha efa voafaritra ao ny fotoana hampiakatra hofan-trano sy ny tahan'ny fiakarana
👉🏻 Raha tsy misy kosa izany voalaza ao amin'ny contrat, dia tsara raha misy fifampiresahana sy fifanarahana vaovao eo amin'ny tompon-trano sy ny mpanofa alohan'ny hampiharana fiovana.
5️⃣ Inona ilay atao hoe Préavis?
👉🏻 Ny préavis dia fampahafantarana atao mialoha rehefa misy olona mikasa hampitsahatra ny fifanarahana, hiala amin'ny trano na hangataka ny hialan'ny mpanofa
👉🏻 Ny tanjony dia ny mba hisorohana olana,
hanomezana fotoana hiomanan'ny andaniny sy ankilany ary hanajana ny fifanarahana.
👉🏻 Tokony ahitana ny daty, anaran'ny roa tonta, antony, daty hifaranan'ny bail ary sonia
6️⃣ Isaky ny firy no tokony hampiakatra hofan-trano ? Préavis firy volana mialoha ?
👉🏻 Tsy misy fe-potoana tokana mihatra amin'ny bail rehetra. Fa miankina amin'ny contrat, fifanarahana, ary toe-javatra.
👉🏻 Noho izany dia tsara raha soratana mazava ao amin'ny contrat ny fotoana ahafahana mampiakatra sy ny délai préavis.
7️⃣ Préavis rehefa hanala mpanofa ?
👉🏻 Ny délai dia miankina amin'ny contrat na ny fifanarahana foana ihany . Noho izany dia tsara raha efa voafaritra mazava ao amin'ny contrat izany.
8️⃣ Ahoana ny resaka JIRAMA?
👉🏻 Tokony hazava ao amin'ny contrat hoe:
✅ Iza no mandoa JIRAMA;
✅ Iza no tompon'ny compteur;
✅ Ahoana ny fandoavana;
✅ Ahoana raha misy trosa.
9️⃣ Raha tsy asehon'ny tompon-trano ny facture JIRAMA ?
👉🏻 Raha ny mpanofa no mandoa JIRAMA, dia tsara raha afaka mahita ny facture izy mba hahafantarany ny tena vola tokony haloany sy hisorohana olana
1️⃣0️⃣ Afaka mampiakatra hofan-trano ve ny tompon-trano nefa tsy nisy fanamboarana ?
👉🏻 Afaka misy fiovana raha mifanaraka amin'ny contrat na misy fifanarahana vaovao.
👉🏻 Tsy voatery hoe rehefa nanamboatra ihany vao afaka mampiakatra hofan-trano, saingy tsy tokony hatao tampoka ka manitsakitsaka ny fifanarahana efa misy.
1️⃣1️⃣ Raha efa nanofa 10 taona mahery ?
👉🏻 Ny faharetan'ny fanofana tsy mahatonga ny mpanofa ho tompon'ilay trano.
👉🏻 Na izany aza, manana zo izy mba hajaina ny contrat, hahazo préavis raha tapitra na atsahatra ny bail araka ny fifanarahana sy ny lalàna mihatra.
1️⃣2️⃣ Raha amidin'ny tompony ilay trano ?
👉🏻 Ny fivarotana trano tsy midika avy hatrany fa tsy maintsy miala eo noho eo ny mpanofa.
Fa miankina amin'ny contrat, fifanarahana,
ary ny fomba itohizan'ny bail amin'ilay tompony vaovao.
1️⃣3️⃣ Raha mpiasam-panjakana nefa tsy mahaloa hofan-trano ?
👉🏻 Ny satan'ny olona amin'ny maha mpiasam-panjakana azy tsy manafoana ny adidiny handoa hofan-trano.
1️⃣4️⃣ Inona kosa ilay hoe Caution ?
👉🏻 Ny caution dia vola apetraka ho antoka ampiasaina raha misy fahasimbana, misy hofan-trano tsy voaloa na adidy hafa tsy voahaja.
👉🏻 Raha voaloa daholo ny hofan-trano no tsy misy fahasimbana dia amin'ny ankapobeny dia averina araka izay nifanarahana ao amin'ny contrat.
👉🏻 Inona indray no lohahevitra tianao horesahina manaraka ? Alefaso ato amin'ny commentaire 😊
__________
Ny Agence MTR dia namanao amin'ny fikarakarana ny antontan-taratasy rehetra 😊
📍 Birao : Ambohidahy Ankadindramamy
☎ Appel / Whatsapp : +261 34 27 576 43
ℹ source : https://www.facebook.com/share/1HMsvFuSk4