15/11/2026
👷♀️"DROIT DE PASSAGE" (na hoe ZO HANANA LALANA)
👉👉ZO TSY DIA FANTATSIKA LOATRA, NEFA MANAN-DANJA EO AMIN'NY RESAKA FANANAN-TANY !
🏡 Fantatrao ve fa ny tompon-tany iray dia afaka, araka ny fepetra voalazan'ny lalàna, mahazo lalana mandalo eo amin'ny tanin'ny mpifanolo-bodirindrina aminy mba hahafahany mivoaka mankany amin'ny lalam-bahoaka ?
👉👉👉Izany no antsoina hoe "droit de passage".
⚖️ Eto Madagasikara, ny andininy faha-682 ao amin'ny Fehezan-dalàna sivily (Code civil) dia milaza fa :
" ....Ny tompon-tany iray izay manana tany voahidy ka tsy manana lalana mivoaka, na tsy ampy ny lalana ahafahana mampiasa ara-dalàna ny taniny, dia afaka mangataka lalana mandalo amin'ny tanin'ny mpifanolo-bodirindrina aminy, araka ny fepetra voalazan'ny lalàna"
Fa iza avy no afaka mahazo izany zo izany? Inona avy ireo fepetra takiana? Ary inona kosa ny adidy sy andraikitry ny tompon-tany tsirairay?